<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>387</hymn_number>
<title>Ampihetsehin'inona izao ireo vahoaka FFPM387</title>
<lyrics>[V1]
 Ampihetsehin'inona
 Izao ireo vahoaka,
 Ary iza no arahiny
 No dia samy maika erý ?
 // Ry jamba ô, fantaronao,
 Jeso mandalo anao izao //

[V2]
 Jesosy Iraky ny Ray
 Dia samy mety no mahay
 Manafaka ny rofinao
 Sy mampahiratra anao ;
 // Koa mitsangàna hianao,
 Jeso mandalo anao izao //

[V3]
 O, ry mivesatra entana,
 Hantòny ny Mpanafaka !
 Ry zaza very hatrizay
 Modia ao an-tranon-dRay
 // Ry jamba ô, heveronao
 Jeso mandalo anao izao //

[V4]
 Ny lalan-tsarotrao atý
 Tsy misy tsy nalehany,
 Ny rofy nositraniny,
 Ny maty novelominy,
 // Ny jamba faly nahare ;
 Indro Jeso mandalo re ! //

[V5]
 Ny indrafony mbola injao,
 Mitety izao tontolo izao:
 Ny tranontsika alehany,
 Ny fo mihidy doniny.
 // Ampandrosoy Izy hoe :
 Jeso ô ! aza mandalo re ! //

[V6]
 Fa raha tsy ahoanao
 Izao fandalovany izao,
 Ka nony efa farany
 Vao tia ny hovangiany.
 // Indrisy tsy ho hitanao
 Jeso Izay efa nandalo tao //</lyrics>
<author>T.E. Perkins</author>
</song>